Hafatry ny mpiandraikitra foibe FJKM : “Aoka hojerena ny fahoriam-bahoaka”

Nivory ny herinandro teo, tao amin’ny CFD Ampan­drana, ny eo anivon’ny mpiandraikitra foibe FJKM. Nampita hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka ary ny mpitondra sy ny mpitandro filaminana izy ireo tamin’izany. “Miantso ny mpitondra fanjakana handray andraikitra sy hitondra vahaolana manoloana ny fahasahiranana sy ny fahorian’ny va­hoaka. Na ara-toekarena, ko­lontsaina, fiaraha-monina, na ara-pahasalamana izany”, ara­ka ny hafatra hatrany. Nanainga ny mpitandro filaminana handray andraikitra manoloana ny tsy fandriampahalemana sy ny herisetra andro aman’alina mianjady amin’ny vahoaka koa ny eo anivon’ny foibe FJKM. Mbola nanamafy koa izy ireo fa mitandro hatrany ny fahamasinan’ny fiangonana. “Tsy ma­naiky na oviana na oviana ny fiarahana na ny fanambadian’ny lahy samy lahy na ny vavy samy vavy amin’ny endriny rehetra”, hoy ny hafatra.
Manoloana ny fihanaky ny valanaretina samihafa, na­nainga ny fiangonana ny foibe hanangana ny vaomieran’ny fahasalamana na ny komitin’ny fitandremana miady amn’ny Sida sy ny valanaretina, ivondronan’ny solontena isan-tsampana, ny mpitsabo sy ny mpitsabo mpanampy ary ny mpampianatra.
Nankaherezin’ny foibe FJKM ny kristianina mba hihazona hatrany ny fampianarana tsy misy kilema, ka tsy ho voatariky ny fampianaran-diso sy ny faminaniana sandoka ma­hazo vahana eto amin’ny firenentsika.

Synèse R.

Partager sur: