Nahitana fampisehoana an-tsehatra ankalamanjana indray ny faran’ny herinandro teo. Samy nanana ny mpijeriny. Noho ny traikefa ananan’ny tarika tsirairay, anisan’ny niavaka ny tetsy Antsahamanitra.
30 taona aty aoriana… Notanterahina tao Antsahamanitra, omaly tolakandro, ilay seho lehibe «Mozik’Iray» iarahana amin’ny tarika Kiaka sy ny tarika Iraimbilanja. Tamin’ny 3 ora marina, nanomboka ny fampisehoana. Endrika naneho avy hatrany fa voafehin’ireto tarika ireto ny fotoana. Tsy nijanona teo fa hita koa ny tolotra rehetra niainga avy eny an-tsehatra, nanasongadina ny traikefa ananan’ ireto tarika miangaly ny mozika «rock» ireto. Feo, fandrindrana ny hira, ny zavamaneno, fisehoana sy fifehezana ny sehatra… Samy nahatsapana fa ny andrarezina no eny an-tsehatra.
30 taona aty aoriana… Indreo fa tazana tao Antsahamanitra ireo mpitia sy mpanaraka ny kanton’ny tarika Kiaka sy ny tarika Iraimbilanja. Mbola tena ao anatin’ ny heriny tsara. Mandihy, mihira, manetsika ny loha, tongotra, sns. Tsy nisy very na hadino ny tononkira fa miaraka mihira amin’i Nini avokoa ny mpijery. Nomena lanja rahateo ireo hira nahafantarana ny tarika roa tonta tao anatin’izay 30 taona mahery izay.
30 taona aty aoriana… Nahitana endrika tanora maro teny Antsahamanitra. Manaporofo fa niampita tany amin-dry zareo ny hiran’ireto tarika roa ireto. Anisan’ny nahavariana teny an-toerana ny fifamatorana avy hatrany teo amin’ireo mpitia sy mpanaraka ny sanganasan’ny tarika Kiaka sy Iraimbilanja tany amin’ny 30 taona lasa sy ireto tanora ireto.
Tsikaritra ihany koa fa efa ela niandrasana ity fampisehoana ity ny mpitia zavakanto. Tao anatin’ny hafanam-po tanteraka no nandraisan’izy ireo ny fiakarana an-tsehatra teo amin’ny tarika tsirairay. Raha tsiahivina, mbola hitohy any amin’ny faritra ny «Mozik’ Iray». Ny 30 mey izao, ny any Moramanga indray no handray izany sy hianoka ao anatin’ny «rock».
HaRy Razafindrakoto




