TSELATRA

Notafihin’ny jiolahy miisa telo ny sabotsy lasa teo, ny lehilahy iray mpanao Cash point tany Begavo I, Ambanja. Efa handeha hody izy no nambanana sy notifirin’ny iray tamin’ireo olon-dratsy tamin’ny basy. Voan’ny bala teo amin’ny sorony havanana sy ny saokany io lasibatra io. Lasan’ireo jiolahy ihany koa ny vola 2 000 000 Ariary sy finday 3.

Natolotra ny fitsarana omaly ireo olona roa voasambotra noho ny fanoratana fandrahonana sy fihantsiana teny amin’ny rindrin’Antsahamanitra, ny marainan’ny 24 avrily 2025 lasa teo. Anisan’ny toerana nanaovana fitsidiham-panjakana nataon’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, teto Madagasikara, ny fotoana nanoratan’ireto olona ireto izany soratra izany.

Partager sur: