Maty vokatry ny fanarahan-dia natao tamina dahalo mpangalatr’omby , ny olon-tsotra iray tao Ambodihady, fokontany Ambodiamontana, kaominina Ambovombe centre, distrika Manandriana, ny 14 janoary teo. Tamin’ny 11 ora alina, raikitra ny savorovoro teo amin’ny dahalo sy ny fokonolona rehefa lasan’ireo olon-dratsy ny omby valo. Nitondra fitaovam-piadiana ireo dahalo maherin’ny folo. Vokany, voatifitra ny tompon’omby ka namoy ny ainy. Naratra voa teo amin’ny feny ny iray tamin’ireo mpanara-dia. Namaly tifitra ny zandary ka nirifatra nandositra ireo dahalo. Mitohy ny fanarahan-dia ataon’ireo mpitandro filaminana sy ny fokonolona ao an-toerana.
Tsiferana R.