Tratran’ny polisy tao Ihosy Andrefantsena, afakomaly noho ny fihazonana basy vita gasy ireo roa lahy (tsy ampy taona ny iray). Toy ny fanaon’ny polisin’Ihosy, manatanteraka fisafoana mahazatra izy ireo ka tamin’izany no nahatsikaritra ireo olon-dratsy ireo. Teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy no nahasamborana azy ireo, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Somary hafahafa fihetsika ry zalahy ireto ka nampiahiahy ny polisy. Niroso tamin’ny fisavana ny polisy ka nahitana basy vita gasy ny iray amin’izy ireo izay voalaza fa saika hanaovana asa ratsy tamin’io fotoana io. Nentina avy hatrany nanaovana fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny polisy izy ireo. Nilaza izy ireo fa mbola misy namany mpiara-dia aminy any satria isan’ny faritra mena amin’ny tsy fandriampahalemana eo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy.
J.C