Fihaonana tamin’ny praiminisitra : Manohana ny vinan’ny filoha ny rantsan’ny ONU

Notanterahina teny Ivato, omaly, ny fihaonana teo amin’ny praiminisitra, Ntsay Christian, sy ireo rantsamangaikan’ny Firenena mikambana (ONU), eto Madagasikara. Niompana tamin’ny fiaraha-miasa ny dinika.

Voaresaka ary anisan’ny nifampidinihina teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ny fanohanan’ireo rantsan’ny ONU ireo vina sy ny fanambin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Tahaka izany koa ny fiaraha-mientan’izy ireo ho amin’ny fa­natanterahana ny Politika anka­poben’ny fanjakana (PGE). Na izany aza, nangatahin’izy ireo, tamin’izao fifanakalozan-kevitra izao, ny mba hamaritana mazava ireo fandaharanasa tokony hapetraka ho laharam-pahamehana iombonana eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny andaniny sy ny ankilany. “Hampifan­draisi­na akaiky ireo ezaka ha­maliana ny filan’ny vahoaka malagasy, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasan’i Madagasi­kara sy ny Firenena mikambana”, hoy ireo avy amin’ny rantsan’ny ONU.

Fanapahan-kevitry ny Amerikanina
Tafiditra ao anatin’izany izao fiovaovan’ny zava-misy maneran-tany izao. Eo ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Eo koa ny fisintahan’ny Amerikanina amin’ny ran­tsan’ny ONU, araka ny fanapahan-kevitry ny filoham-panjakana amerikanina, Donald Trump, sy ny lafiny toekarena ankapobeny maneran-tany ka nampiakaran’izy ireo ny haba amin’ireo entana miondrana any Etazonia.
Tsiahivina fa nitarika ireto solontena avy amin’ny rantsan’ny ONU, miasa sy monina eto amintsika ireto, nihaona tamin’ny praiministra Ntsay Christian, ny mpandrindra maharitry ny Firenena mikambana, Anthony Ngororano.

Synèse R.

Partager sur: