Filoha Rajoelina Andry : Hifandray mivantana amin’ny besinimaro

Namoaka fanambarana fohy tao amin’ny tambajotran-tseraserany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, omaly. Nandray fanapahan-kevitra ho amin’ny fanatsarana ny fomba fiasa sy ny fitantanana ny tenany.

«Nandray fanapahan-kevitra aho ankehitriny fa hi­fandray mivantana aminao”, hoy izy. Nanteriny tamin’izany fa manan-jo hahalala ny zava-misy marina rehetra ny tsirairay. “Adidy iombonana ny fampandrosoana an’i Mada­gasikara ary fototry ny fifampitokisana ny fahamarinana sy ny mangarahara”, hoy izy. Nohazavainy tamin’izany fa manomboka omaly ny fanapahan-kevitra horaisina dia hohazavaina amin’ny fomba tsotra sy mazava. Notsindriny fa afaka maneho hevitra malalaka ao anatin’ny fifanajana ary ho anisan’ny vahaolana ny tsirairay. Napetrany avy hatrany ny fanontaniana ho an’ny rehetra. “Heverinao ve fa ilaina sy mahasoa ny fifandraisana mivantana tahaka izao? Ampahafantaro ahy ary ny hevitrao”, hoy izy.

Fakan-kevitra anaty tambajotra…

Na izany aza, tsy mbola namaritra ny fomba hifandraisany mivantana amin’ny tsirairay ny filoha Rajoelina Andry amin’izao fanapahan-kevitra noraisiny izao. Karazana fakan-kevitra amin’ireo anaty tambajotra aloha izao nataony izao ka efa marobe sahady ireo nankasitraka izany.
Anisan’ny asongadin’ny sasany amin’izany ireto. “Ny tokony hanadiovana sy hanesorana ireo rehetra tsy miasa na tsy mahavita ny andraikitra nankinina taminy na tsy mahafehy izany. Ambaran’ny sasany ao koa fa “maro ireo manararaotra ny anaran’ny filoha ka mampiasa izany ho biby fampitahorana eny anivon’ny fiarahamonina. Ny manararaotra ilay fahefana nampindramina azy ka manao tsindrio fa lavo ny madinika. Tokony hoesorina ireo rehetra manodidina hita fa hamingana fotsiny”, hoy ny ampahan’ny fanehoan-kevitra.

Synèse R.

Partager sur: