Mbola nanamafy indray. Nambaran’ny filohan’ny Fikambanana “Association Russie – Madagasikara-ARM”, Rakotonirina Richard, fa eo hatrany i Rosia manoloana ireo Nosy Malagasy “Iles Eparses”.
Notsiahiviny fa efa mazava ny fehin-kevitry ny ONU ny taona 1979, fa an’i Madagasikara ary haverina aminy ireo Nosy ireo. Tsy mbola tanteraka anefa izany hatramin’izao ary arirariran’i Frantsa ny raharaha. Nanteriny fa betsaka ny harena ao ankoatra ny fivezivezen’ny sambo an-jatony amin’ny lakandranon’i Mozambika amin’ireo Nosy ireo. “Volabe izany ary tokony hisitraka izany isika amin’ny saran’ny fandalovan’ireo sambom-barotra ireo ao”, hoy ihany izy. Nentaniny ny tokony hijoroana, tahaka ny nataon’ny atsy Maorisy sy ny any Haiti. Tompon’ antoka voalohany amin’izany ny fanjakana ary andrasana ny ho vokatry ny dinika amin’ny 30 jona izao, araka ny nambarany. “Ampirisihina ny diplaomasiantsika hitaky ary vonona hanampy amin’izany i Rosia, miainga amin’ny fitakiana ara-diplaomatika. Anisan’ny lalana voalohany ahazoana ireo Nosy ireo izany”, hoy ihany izy.
Fiarovana sy fanavotana tanindrazana
Tsiahivina fa nomarihina tetsy Anosy, omaly, ny faha-80 taonan’ny nandresena ny Nazi, Alemà, tamin’ny ady lehibe faharoa. Tsy natao ho an’i Rosia ihany anefa izany fandresena izany fa ho an’izao tontolo izao, araka ny nambarany. Nahazoana ny fahafahana ary anisan’ny niady mafy tamin’izany ny tafika Sovietika. Maherin’ny 27 tapitrisa ireo maty ary fotodrafitrasa maro potika, nanerana an’i Eoropa. “Niditra voalohany tao Berlin ary nitarika sy nitondra ny fandresena ny tafika Sovietika. Novan’ny tandrefana anefa ny votoatin’ny tantara”, hoy izy. Nanafatra ny rehetra ny filohan’ny ARM manoloana izany fa ilaina ny firaisankina sy ny fitiavan-tanindrazana ary ny fijoroana hatramin’ny farany. Mafy ny sedra miandry antsika ka tokony hanana vahoaka sy tanora vonona ho amin’ny fiarovana sy fanavotana ny tanindrazana ny firenena, araka ny nambarany.
Synèse R.