Nanao fanambarana, manoloana ny raharaham-pirenena, ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga (MM M). Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ireo Nosy Malagasy. Nambaran’ity antoko ity fa manana zo hitsidika ny “Iles Eparses” ny mpitondra amin’ny maha frantsay azy. “Tsy vahaolana anefa izany… Vahaolana avy aminay ny hametrahana paikady diplaomatika matotra ary fanomezan-danja ireo Malagasy manampahaizana tena mahafehy ity raharaha ity”, hoy ny fanambarana.
Momba ny ady amin’ny kolikoly kosa, nanterin’izy ireo ny hanamafisana ny rafitra miady amin’izany. Takina ny hanaovana fanadihadiana sy hanomezana sazy hentitra ireo tratra manao izany na olona ambony aza, araka ny fanambarana hatrany.
Etsy andaniny, nohitrikitrihin’ity antoko ity fa miharihary ny fiverenan’ny jadona amin’ny sehatra rehetra. Fehezin’ny fahefana mpanatanteraka ny fitsarana sy ny parlemanta. Voasakana ny fanehoan-kevitra. “Manaporofo izany ny fihemoran’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety”, hoy ny MMM.
Nantsikafon’ity antoko ity koa fa nisehoana hosoka ny fifidianana farany teo ka niteraka ahiahy ny fahamarinan’ny zotram-pifidianana. Notakin’ izy ireo ny hanavaozana ny Ceni sy ny HCC ary ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana. “Ilaina ny handanian’ny parlemantera lalàna vaovao hifehy ny fifidianana, hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka izany”, hoy izy ireo.
Synèse R.