Fanohanana ny fanabeazana : Hisitraka fitaovana i Vakinankaratra

Anisan’ny nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly, tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazana any an-toerana. Voaresaka tamin’izany ny efa nanomezana fitaovana ireo sekoly eo anivon’ny Dren Vakinankaratra sy ny hanohizana izany hatrany. Notateriny koa ny fanomanana ny fanadinam-panjakana, ny fandoavana ny “Subvention” sy ny kamaran’ireo mpitsara amin’ny fotoan’ny fanadinana ny “Vacation” ary ny fanatanterahana ny politikan’ny fanabeazana.
Anjaran’ny talem-paritry ny fitaterana sy famantarana ny toetr’andro kosa avy eo ny nitatitra ny tsy fanarahan-dalàna hita matetika amin’ny fiara fitateram-bahoaka na fiara tsotra. Eo koa ny faharatsian’ny fiara, ny olana ara-taratasy, ny fampiasana solika “Pétrole” amin’ny fiara. Nampahafantarina tamin’izany koa fa efa am-perinasa ny foibe mikarakara ny “Permis”, ao amin’ny CIM Antsirabe. Natsidiny koa fa hanatsarana ny toby fiantsonana Vatofotsy.
Nohazavaina tamin’izany koa ny momba ny fisitrahana tany ”titre vert” andiany voalohany.

Synèse R.

Partager sur: