Tetikasa Padev I-II: Mitohy ny fanatsarana ny tanàn-dehibe

Nandray ny ambasadaoron’i Frantsa, Arnaud Guillois, tetsy Anosy, ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, omaly. Nivoitra tamin’ny fifampiresahana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta. Anisan’izany ny firosoan’ny asa ho fampandrosoana sy fanajariana ireo tanàn-dehibe amin’ny alalan’ny fandaharanasa Padev I sy II. Misitraka ny tetikasa ny ao Toamasina, Fianarantsoa, Toliary, Antsi­ranana ary Antsirabe. Nanova endrika ny tanàna izany, teo amin’ny fotodrafitrasa, toy ny lalana, tsena, zaridaina. Manginy fotsiny ny fampitaovana informatika sy moto.
Nifampizaran’ny minisitra sy ny masoivoho koa ny momba ny fandaharanasa fanadiovana an’Antananarivo (PIAA2). Toraka izany ny fampitaovana ny mpiasan’ny Apipa.
Niaraha-nidinika ihany koa ny fanomanana ny atrikasa iraisam-pirenena ho amin’ny fiaraha-miasa eo amin’ny fi­tsinjaram-pahefana iarahan’i Madagasikara sy i Frantsa. Noresahina ny lohahevitry ny fivoriana sy ny drafitra rehetra, miampy ny mpiantsehatra hanatrika sy handray anjara.
Voatsiahy tamin’ny fihaonan’ny roa tonta ny fahavitan’ny fihaonana an-tampon’ny COI farany teo. Niray feo ny roa tonta fa vonona ny hanamafy ny fiaraha-miasa ho any amin’ny fampandrosoana ary indrindra ho fampivoarana ny lafiny toekarena.

Synèse R.

Partager sur: