Noesorina amin’ny toerana ny tale misahana ny fanadihadiana “Directeur de la police judiciaire”, eo anivon’ny kaomandin’ny Zandary, ny Kly Ravelomanana Tahina, araka ny tapaky ny filankevitry ny minisitra. Tombanana fa ny “Raharaha, ny Kly Rakotoamy Patrick”, tafaporitsaka ny anton’izany. Tsiahivina fa vao roa volana no teo amin’ny toerana izy.
Efa am-perinasa ny kaomitim-pirenena manomana ny fetin’ny 26 jona. Hisy ny fitokanana ny tsangambatonan’ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena. Samy hankalaza izany ny faritra 24 ka hiompana amin’ny hanomezan-kasina ny tantara, ny soatoavina Repoblikanina sy ny fiandrianam-pirenena ny amin’ity indray mitoraka ity.
Hatsangana ny komity mpikarakara ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Hifarimbona anatin’izany ny prezidansa sy ny primatiora ary ny minisitera isan-tsokajiny. Mbola ho avy ny iraky ny Sadc ny 9 jona izao hiresaka ny lohahevitra ifampidinihina amin’ny fivorian’ireo filoham-panjakana. Efa nisy iraka tonga ny fiandohan’ny mey teo nanao tombana.
Ahina hiteraka krizy politika ny fikitihana Lalàmpanorenana, araka ny nambaran’ny depiote, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, omaly. Nanteriny fa niaraha-nahita ny tany aloha tany sy any amin’ny firenena hafa. “Niteraka krizy ary fionganana alohan’ny fotoana ho an’ny mpitondra izany. Mila mieritreritra fa ny toe-draharaha aza izao efa manahirana”, hoy izy.