“Tsy mitondra fampandrosoana ny fankahalana sy ny fialonana. Ny olona tia tanindrazana sy miasa no mitondra fampandrosoana ho an’i Madagasikara”.
Io ny nambaran’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fametrahana ny vatofototry ny Tanànan’ny taozavatra sy asa tanana ary ny fampahafantarana ny tetikasa Lac Iarivo, teny Ivato, omaly, manoloana ny fitsikerana ataon’ny mpanohitra sasany eny aminy tambajotran-tserasera. “Miasa isika”, hoy izy. Tsy hanaiky hampiadian’ny mpanatsatso, ary tsy hanaiky hosakanan’ireo manohitra ny fampandrosoana. Zavatra mora ny mitsikera. Mitsikera ny asan’ny mpanohitra: na ny akanjo anaovana, na izay atao. Izay anaovany ny akanjony io, fa tsy hisy hibaiko azy ny amin’izany. Izay mahatsara azy no ataony. Misy zavatra azo valina, fa tsy te hamaly izy.
Ny asa fampandrosoana an’i Madagasikara mbola ambony lavitra no ho ny tsikera sy ny adihevitra eny amoron-dalana. Ambony lavitra ny tetikasa sy ny fotodrafitrasa hatsangana ho an’i Madagasikara. Mendrika ambony sy mihoatra lavitra no ho ny tsikera ny vahoaka malagasy. “Tsy hanao adihevitra mirefarefa amin’ny tany isika, satria tsy mendrika an’izany ny vahoaka malagasy”, hoy ihany izy. Samy hafa ny asan’ny mpanohitra sy ny asan’ny mpitondra. Afa-misafidy ny rehetra amin’ny fiainana: rehefa mifoha maraina, hanao ratsy sa soa? Tsy mitovy amin’ny olona miasa ny mpitsikera. “Noho izany, aza taitra ianareo fa mandroso ary mampandroso an’i Madagasikara isika”, hoy hatrany izy. Any aoriana hatrany izay manenjika. Tsy mihaino azy ireny izy. Matetika, ny mpiara-miasa no marary fo.
R. Nd.