Niarahaba sy nirary soa ny kardinaly amerikanina, Robert Francis Prevost, voafidy ho Papa mitondra ny anarana Léon XIV ny filoha Rajoelina Andry. Noharahabainy koa ny Ekar sy ny kristianina rehetra.
Nampahery ny filoha Rajoelina Andry ny loholona Rakotondrazafy Lalatiana. « Na ambohitro na ambohitr’olona, rehefa vandana dia kary. Esorina amin’ny andraikitra fa aza asiana indra fo raha misy manao ny tsy mety eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika”, hoy izy.
Tsy nitsitsy ny fanehoan-kevitry ny Jly Ravalomanana Richard. “Tokony ho nesorina hatramin’ny minisitra sy ny kaomandin’ny Zandary. Eo ambonin’ny Kly Ravelomanana Tahiana ireo ka tsy izy irery no tokony ho nesorina”, hoy izy. Nanteriny fa tokony ireo niambina ny Kly Rakotomamonjy Patrick no tompon’andraikitra tamin’io fitsoahana io…