Nandray ireo ben’ny Tanàna miisa valo avy amin’ny “Association des grande villes de Madagascar – AGVM” ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly. Nisy ny hafatrafatra nampitainy tamin’izany.
Natsidiny fa ho avy ny tolo-dalàna maromaro atolotr’ireo loholona ka tafiditra ao anatin’izany ny momba ny fahamarinan-toeran’ireo ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana ny asany. Nanterin’ny filohan’ity Andrimpanjakana ity koa fa mahasoa ny vahoaka sy ny kaominina tantanina no tsinjovina sy imasoana.
Voaresaka koa ireo fiaraha-miasa sy tantsoroka ho fampandrosoana ny eny ifotony. Efa nisy rahateo ny ezaka natao ho fanomezana izany sy ny fampiofanana ireo ben’ny Tanàna amin’ny fanatanterahana ny asany. Anisan’izany ny fampiofanana momba ny fitantanam-bola ifotony, ny tontolon’ny fitantanana kaominina, ny haitarika sy ny fahaiza-mitantana ny raharaham-panjakana. Nihaino ny taraina sy ny hetahetan’ireo ben’ny Tanàna ny eo anivon’ny Antenimierandoholona taorian’izany, raha ny voalazan’Andriamatoa Filohan’ny Antenimierandoholona sy ny Loholon’i Madagasikara Lalatiana Rakotondrazafy.
Etsy andaniny, nifanakalozana hevitra sy nifampizarana ny momba ny vaksinin’omby sy ny “Fiche individuelle de bovin – Fib”.
Nentanina, araka izany, ireo ben’ny Tanàna mba hanana fitokisana amin’ny Antenimierandoholona. Naneho fahavononana hatrany ny hifanome tanana sy hiara-hiasa amin’izy ireo ny loholona tamin’izao fihaonana izao.
Synèse R.