Namarika ny taom-pikatrohany ny antoko Freedom ny sabotsy teo, teny Ivato. Nambaran’ny filoha nasionaliny, Rakotondrazafy Lalatiana tamin’izany fa mbola manohana feno ny filoha Rajoelina Andry izy ireo. “Tsy manakiana ny fitondram-panjakana izahay fa milaza kosa ireo maharary ny vahoaka. Tokony hitondrana vahaolana ireny”, hoy izy. Nohitsiny fa maro ireo tsy nahavita ny andraikitra nankinina aminy ka mampitarazoka ny fampandrosoana ary tokony andraisana fepetra. Na izany aza, nanteriny fa tsy voatery midika fanovana governemanta ny fanehoan-kevitry ny Freedom. Mahatsapa kosa anefa izy ireo fa tokony hoesorina amin’ny toerany ireo rehetra notendrena rehefa tsy nahavita. “Tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny filoham-pirenena ny sasany amin’izy ireny”, hoy izy. Anisan’ny notsindriny manokana ny olan’ny herinaratra, ny rano, ny lalana…
Nambarany koa fa tsy tokony hanaiky hofendrofendroin’ny sasany anaty tambajotra ny filoha Rajoelina Andry. Notsindriny fa mbola marobe ireo resy lahatra amin’ny filoha ary hafa mihitsy ny eny an-kianja sy ny tena any ifotony any.
Nohitsiny koa fa tsy fahavalon’ireo milaza ho manohana ny fitondram-panjakana ny antokony ka nanaovany antso avo mba tsy ny ao anatiny indray no hanenjika an’ireo mpikambana Freedom, indrindra ireo ben’ny Tanàna miara-dia amin’izy ireo. Mbola nohamafisiny fa efa sady tsy mahavita azy ny sasany no mbola tsy manohana sy sahy miaro ny fitondram-panjakana nanendry azy akory. “Aleo esorina”, hoy izy.
Synèse R.