FANTINA sy FINTINA

Nidera ny ezaka vitan’ny ben’ny Tanànan’Anosy Avaratra, Rakotondralala Marino ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard. Telo volana nitantanana fa nahavita kianja telo samihafa, ho an’ny tanora. “Aoka isika hibanjina ny hampandrosoana ny kaominina. Tokony hatsahatra ny adilahy politika, ny fisainana ory hava-manana”, hoy izy.

Nanolotra fitaovana informatika ho an’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny ny solontenan’ny rafitry ny firenena mikambana (Pnud), Edward A. Christow, teny Anosy, ny herinandro teo. Nambaran’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika fa manana ny lanjany manokana amin’ny fanomanana ny fihaonan’ny Sadc ny volana aogositra ny fampitaovana.

Nanagadra olona 380 ny eo anivon’ny Pac ho an’ny taona 2024, araka ny tatitra tetsy 67 Ha, ny herinandro teo. Notsaraina teto Antananarivo sy Mahajanga ireo olona nogadraina ireo ary miompana amin’ny kolikoly sy famotsiam-bola ary trafikan’ny harem-pirenena no niampangana ny maro amin’izy ireo.

Hijoro hampiray ireo firenen-drehetra ny papa Leon XIV, araka ny fanambarana nataon’ny filohan’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem), ny Mgr Rahari­lamboniaina Fabien, amin’izao nahavoafidy ny papa izao. “Tsy hametraka rindrina fa hanangana tetezana iraisan’ny firenen-drehetra izy”, hoy izy. Mamaly ny filoha Amerikanina, Donald Trump izany ny papa.

Partager sur: