Tolo-kevitry ny loholona : Harovana amin’ny asany ireo ben’ny Tanàna

Nandray ireo ben’ny Tanàna avy amin’ny faritra Analamanga, omaly, amin’ny maha mpiahy azy ireo ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny tetsy amin’ny Antenimierandoholona. Voaresaka ny momba ireo mpitantana eny ifotony.

Nambaran’ny loholona, Rakotondrazafy Lala­tiana, anisan’ny nitondra ny tolo-kevitra, fa rariny raha harovana eo am-panatanterahana ny asany ireo ben’ny Tanàna. “Mba tsy ho resaka halako bika tsy tiako tarehy na kajikajy politika no hanalana na hampiatoana azy ireo amin’ny asany”, hoy izy. Natsidiny, tamin’izany, fa to­kony ho tompon’ny teny farany manoloana ny ben’ny Tanàna raha misy fitoriana na fanonganana azy ny eo anivon’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana (Taf). Io rafi-pitsarana io no namoaka ny didy nahalany azy ireny ka tokony ho io ihany no afaka manala na mampiato azy amin’ ny toerany, araka ny namba­rany. Mandalo ny latsa-baton’ ny roa ampahatelon’ny mpikamban’ny filankevitra izany ary alefa eny amin’ny Taf avy eo mba hamoahany didy na miato na tsia, na miongana ny ben’ny Tanàna iray. Mitovy amin’ny fanonganan’ny depiote ny filohan’ny Repoblika ihany izany. Mandalo eny amin’ny depiote ary miafara eny amin’ ny HCC, araka ny nambarany hatrany. “Mba tsy ho ny minisiteran’ny Atitany no hanao izany fanonganana ben’ny Tanàna izany raha ity tolo-kevitray ity…”, hoy ihany izy.

Ho voaaro ny demokrasia
Ho voaaro ny demokrasia sy ny fitsinjaram-pahefana ary koa ho marin-toerana ireo mpitantana eny ifotony, araka ny nambarany. Nohitsiny koa anefa fa mba tena hadisoana bevava no antony hiakaran’ny ben’ny Tanàna eny amin’ny Taf. Anisan’izany ny fanodinkodinam-bola, ny kolikoly, ny tsy fanarahan-dalàna…
Etsy andaniny, nakana hevitra koa ireo ben’ny Tanàna sy zandary, ny veterinera ary ireo delegem-panjakana, miaraka amin’ireo misehatra amin’ ny omby, manoloana ny ady atao amin’ny famotsiana omby halatra. Havadika ho volavola rijan-tenin-dalàna avokoa ireo ka hodinihin’ny vaomieran’ny Lalàna etsy Anosikely ary halefa amin’ny governemanta.

Synèse R.

Partager sur: