Nambaran’ny birao politikan’ny TGV, Sahondrarimalala Marie Michelle, fa antoko lehibe sy matanjaka ity naorin’ny filoha Rajoelina Andry ity. Nivoitra izany tamin’ny fihaonamben’ny TGV ho an’ny faritra Atsinanana, natao ny faran’ny herinandro teo. Hitohy any amin’ny faritra hafa izao fanomezana aina ny antoko izao.
Miady an-trano ny mpitondra fanjakana ankehitriny, araka ny nambaran’ny depiote “Del kely” ny herinandro teo. Nohitsiny fa anton’izany rehetra izany izao savorovoro sy ny raharaha Kly Rakotomamonjy Patrick izao. “Tsy mbola nilaza handimby azy ny filoha Rajoelina ka miteraka izao tranga rehetra izao”, hoy izy.
Hentitra ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, fa tsy misy afaka manampy ireo kaominina amin’ny resaka fampandrosoana ankoatra ny fitondram-panjakana. “Ilaina ny fiaraha-miasa eo amin’ny ben’ny Tanàna sy ny fanjakana mba hanatrarana ny fampandrosoana”, hoy izy nametraka samboady ireo ben’ny Tanàna ho an’ny faritra Boeny.
Hanao tatitra ny asa vitany ho an’ny taona 2024, ny eo anivon’ny Bianco, anio. Hotanterahina etsy amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, izao maraina izao izany. Hisy ny famelabelarana arahin’ny fanontaniana sy valiny avy amin’ny tomponandraikitry ny Bianco, amin’izany.