13 mey 1972 – 13 mey 2025. Feno 53 taona katroka anio ny hetsi-bahoaka teo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna, Antananarivo Renivohitra, nitarika ny fiafaran’ny Repoblika I, izay namoizana ain’olona ampolony. “Tsy maintsy mailo ihany amin’ny fitandroana filaminana. Satria betsaka ny ambana”, hoy ny prefet de Police, Antananarivo, ny jeneraly Ravelonarivo Angelo, teny Tsimbazaza, omaly, manoloana an’izay tsingerin-taona izay. Miankina amin’ny ambana ny fihetsiky ny mpitandro filaminana, anio. Rehefa misy zavatra tahaka io, Antananarivo manontolo no jerena, fa tsy mianina fotsiny amin’ny Kianjan’ny 13 mey sy ny manodidina.
Fikambanana anankiray izao no nangataka fahazoan-dalana hametraka fehezam-boninkazo eny amin’ny Kianjan’ny 13 mey 72, Analakely. Ny Hetsika 13 mey 72, miaraka amin’ny Me Razafinjatovo Willy na Me Olala izay, raha ny fahalalany azy. Nilaza ry zareo fa tsy mihoatra ny olona 20 no ho avy eo. Tsy hoe faritana na ferana mialoha ny olona mahazo mametraka fehezan-boninkazo, fa ry zareo no nilaza ny isan-dry zareo. Tsy misy ny olana amin’izay fametrahana fehezam-boninkazo izay: mametraka izay te hametraka… Na olona tsotra vitsivitsy no tonga hanao izany: inona no olana? Fandaminana no apetraka hoe: tena nametraka fahezam-boninkazo amin’ny ara-dalàna ve? Mety fianakaviana nanana olona maty tamin’ny “Raharaha 13 mey 72” no tonga mametraka fehezam-boninkazo eny an-toerana, ohatra, afa-mametraka izy fa tsy olana. Tsy voatery hoe fikambanana izany.
R. Nd.