Jiolahy enina sahady no efa lavon’ny balan’ny polisin’ny Fip tao Toamasina tao anatin’ny roa andro. Roa ny zoma alina hifoha asabotsy ary efatra ny alahady teo.
“Mbola misy karohina fatratra ka miangavy izahay mba hilavo lefona manantona ny mpitandro filaminana”, hoy ny kaomandin’ny polisin’ny Fip, ny kaomisera Rafaliarivo Jules. Tsy nifandrenesana tao anaty lalam-pasika Ambalamanasy ny alahady teo nandritra ny fifampitifirana teo amin’ny polisy sy ny jiolahy. Nahazo loharanom-baovao ny polisy momba ny toerana fiafenan’ireto jiolahy ireto. Nidina hisambotra azy ireo ny polisy ka teo no nisian’ny fifampitifirana satria tsy nanaiky hilavo lefona ry zalahy. Mafy ny fifandonana satria naharitra adiny telo ny izany teo amin’ny polisy sy ireo jiolahy tamin’io alahady alina io. Vokany, lavon’ny bala ry Rasihanaka sy ny namany. Fantatra tamin’ny fanadihadihan’ny polisy fa Rasihanaka no tompon’antoka tamin’ny fandorana trano tao Vodiala Ambatondrazaka. Mbola izy koa no nahavita nanondraka zaza menavava tamin’ny rano mangotraka teo imason’ny ray aman-dreniny ary ny famonoana polisy teo amin’ny sampanan-dalana Salazamay. Efa voaheloka dimy taona am-ponja izy saingy tsy mijanona ela ka manohy ny asa ratsiny hatrany rehefa mivoaka ny fonja. “Mbola manamafy hatrany izahay fa tsy hitsitsy amin’ireo jiolahy”, hoy hatrany ny kaomandin’ny Fip.
Nitondra fanazavana ny tonian’ny fampanoavana…
Nandritra ny fanafihana mitam-piadiana nahafatesana olona ka nahaverezana vola 100 tapitrisa Ar tao Tanamakoa, loharanom-baovao iray milaza fa misy voafonja manao asa ivelan’ny fonja (MOP). Hiantohana manamboninahitra mpandraharahan’ny fonja izy ity, araka ny fampitam-baovao voaray. Nitondra fanazavana momba izany ny tonian’ny fampanoavana Rasamitiana Ladislas ka nandiso izany vaovao izany tamin’ny alalan’ny fihaonana amin’ny mpanao gazety. Hanamarina any amin’ny camp penal koa ny talem-paritry ny filaminana anatiny, ny lehiben’ny fandraharahana ny fonja ka ho hita eo ny tohin’
ity raharaha ity.
Sajo/J.C