Rennes- France: vehivavy teratany malagasy iray tsy hita popoka

Tsy mbola niverina teo anivon’ny fianakaviany Rabe­sandratana Laura. Vehivavy teratany malagasy, 31 taona mipetraka ao Frantsa. Tsy hita nanomboka ny 12 janoary teo izy. Toerana nahitana azy farany teny amin’ny manodidina an’i Rennes, tokony ho tamin’ny 06 ora hariva. Hatra­min’izao, tsy nahazoana vaovao intsony ity vehivavy ity. Tamin’io fotoana io, nitondra ny fiarany marika “Skoda Fabia” mitondra ny lahrana AG-612-QW izy ka tsy niverina intsony, hoy ireo havany. Ankilan’izay, nampahafantatra ity tranga ity ny masoivoho malagasy ao Frantsa ka nizara fanadihadiana sy fitadiavana an’ity vehivavy ity. Mirefy 1m60 eo Rabesan­dratana Laura. Somary mahia, miloko volo ary misolomaso. Nanao akanjo “doudoune” miloko volondavenona, nitondra poketra ary niravaka rojo. Araka izany, manao antso avo amin’ny rehetra ny masoivoho malagasy sy ny mety ho nahita azy mba hampandre ny zandarimaria ao Pacé. Na koa hiantso ny fianakaviana amin’ny laharana 06 44 39 88 79-06 88 52 46 90.

Henintsoa Hani

Partager sur: