Naneho ny alahelony manoloana ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna farany teo ny depiote Ratsiraka Sophie. Manahy mafy amin’ny hoavy ny tenany, tamin’izany.
“Malahelo ny vahoaka mahita fa nanaovana tery vay manta ny fametrahana ny ben’ny Tanàna tsy lany. Lasa ny fiarahamonina no simba sy potika tanteraka. Satria tsy nohajaina ny safidim-bahoaka”. Io ny nambaran’ny depiote tsy miankina voafidy tao Vatomandry, Ratsiraka Sophie, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny kaominina Antanambao Mahatsara, faritra Atsinanana, izay tsy ankasitrahan’ny vahoaka any an-toerana ny ben’ny Tanàna hoe tsy lany. Hany ka toy ny hoe tsy mamaly faty ny olona eny an-toerana, fa lasa tsy miditra amin’ny fivarotan’ireo olona na ny fianakaviana na naman’ilay ben’ny Tanàna napetraka, ohatra. Maninona ny vahoaka no atao toy izao? Atao tsinontsinona. Tsy Antambao Mahatsara irery no tratran’izay, fa maromaro ny tranga toy izay eto Madagasikara. Lasa simba tanteraka ny fiarahamonina.
Hatramin’izao, tsy sahy mankao Antanambao Mahatsara ilay ben’ny Tanàna izay noterena ny ny fametrahana azy. “Inona no asa ho vita eny ifotony amin’ny toe-javatra toy izany?”, hoy ity depiote ity. Tamin’ny nametrahana ireo ben’ny Tanàna tao Vatomandry ary teo koa ilay tsy voafidy: tsy navela hiditra ny olona avy any Antanambao Mahatsara, fa nisy fisavana. Nefa ankamanjana no nanaovana ny lanonana femetrahana samboady ireo ben’ny Tanàna. Nisy niteny ny olona avy any Antanambao Mahatsara hoe: “Rehefa tsy avela hiditra izahay, aza avela ho any aminay koa ireo… ” Mahatonga lonilony ny raharaha. Izao ve no hahatafavoaka ny fiarahamonina any ifotony?
R. Nd.