Tselatra

Hiakatra fampanoavana anio, i Kiady, mpilalao sarimihetsika. Notanana natao andrimaso teny anivon’ny zandarimaria Itaosy izy tamin’ny trangana lozam-pifamoivoizana nahafatesan’olona teny Bemasoandro Itaosy, ny sabotsy teo. Nodimandry ny alahady maraina moa ilay vehivavy 29 taona, nitaingina moto, izay voadonan’ity fiara ity. Mbola mitsabo tena eny amin’ny hopitaly kosa ny olona iray niaraka taminy.
Lehilahy iray hita faty teo an-tokotanin’olona tany Ambohimponona, Ambositra, omaly maraina. Mipetraka eny Ambatomanana ity lehilahy ity ary avy nanao vary izy afakomaly. Naratra mafy sy nihoson-dra ity farany no hitan’ny olona. Nentina namonjy hopitaly haingana saingy tsy tana intsony ny ainy. Mbola tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny fahafatesany.
 Nisy nanatitra tao amin’ny fokontany Anosizato Atsinanana I ny vehivavy 16 taona, omaly. Mbola very saina ary tsy mbola mahatadidy tsara ny fahitana azy. Nambarany fa nisy naka an-keriny tany Antsirabe izy ary izao nisy nanary teny Anosizato izao. Mbola tsy fantatra ny havany ary efa nalefa eny anivon’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona Tsaralalàna izy.

Partager sur: