Niompana tanteraka tamin’ ireo paikady sy fandaharanasa mitondra fampandrosoana ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy ny filankevitry ny minisitra, natao tany Toliara, omaly 14 mey. Nitarika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, natrehin’ny praiminisitra Ntsay Christian ary ireo mpikambana anaty governemanta.
Nodinihina ny tetikasa efa mandeha, ny hatomboka ary ny mbola hatao any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara manontolo. Nivoitra tamin’ izany ny fanamboaran-dalana, toy ny lalam-pirenena: RN10, ny RN13, ny RN9 ampahany fahatelo mampitohy an’i Bevoay hatrany Morombe, sns. Eo koa ny lafiny fambolena, mahakasika ny tohodrano manondraka velarantany azo ambolena. Noresahana ny fanatsarana ny tanàna sy ny kaominina samihafa.
Misy ny fandaharanasa na ny tetikasa tohanan’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena, toy ny Banky iraisam-pirenena (tetikasa Pic, Mionjo,…), ny tohanan’ny orinasa QMM, sy ny hafa. Marihina fa anisan’ny tetikasa goavana amin’ny lafiny harena an-kibon’ny tany, vao naverin’ny fanjakana omena alalana ny orinasa Base Toliara.
Ho an’ny fahasalamana, misy ny famatsiana herinaratra avy amin’ny herin’ny masoandro ny tobim-pahasalamana, hampandehanana ny vata fampangatsiahana hitahirizana ny fanafody, sy ny fitsaboana hatao samihafa.
CMS sy Njaka A.