Naneho hevitra amin’ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo. Nambarany fa anisan’ny manamarika ny tantaran’i Madagasikara ny 13 mey 1972, 13 mey 2002, 13 mey 2009. Nanteriny anefa fa tsy nisy ny fiovana. “Vao mainka nihamafy ny jadona, ny teritery, ny tsy fanarahan-dalàna, ny fanararaotam-pahefana, ny kiantranoantrano, ny kolikoly… Mbola voahozongozona ny fiandrianam-pirenena”, hoy izy.
Nentaniny anefa ny rehetra fa tsy tokony ho kivy. Mbola ilaina ny mijoro sy miady ho an’ny fanovana marina hitondra mankany amin’ny hoavy tsaratsara kokoa miaro ny tombontsoa iombonana, araka ny nambarany.
Etsy andaniny, notsiahiviny fa efa fararano ny andro izao. Mbola mitohy anefa ny fizarana vary Tsinjo. “Manamarika ny fahantran’ny Malagasy, indrindra fa ny 80% ny mponina, mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana izany”, hoy ihany izy. Notsindriny fa mbola lavitra ny antsoina hoe “Fahasambarana”. Tsy vahaolana ny fanampiana vonjimaika fa ny fanovana ny rafitra. Nitondra vahaolana ny filohan’ny nasionalin’ny MMM fa ilaina ny lalàna manokana momba ny paikady maharitra ho an’ny fambolena sy fiompiana “Loi d’orientation de l’agriculture” ahafahana manova sy mikendry ny fanatsarana ny tontolo ambanivohitra. “Tokony hifantoka amin’ny fampanananasa mahavelona sy maharitra ho an’ny mponina an-tanàn-dehibe ny mpitondra fa tsy hionona amin’ny kizarazara sy kitolotolotra fa manapoizina ny mpiray tanindrazana izany”, hoy izy.
Synèse R.