Namoaka ny tatitry ny asa vita ho an’ny taona 2024 ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin’ny tsy ara-dalàna (Arai). Maromaro ireo nahazo harena amin’ny fomba tsy ara-dalàna.
“Marolafy ireo sokajin’olona voakasika amin’ny fahazoana harena tsy ara-dalàna. 13% ny mpiasam-panjakana. 60 % mahery amin’ny sehatra tsy miankina. 20% mahery kely tsy fantatra mazava izay tena toerana misy azy ireo”. Io ny fanazavan’ny tale jeneraly mpisolo toerana ny Sampandraharaha misahana ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena rehetra azo tamin’ny tsy ara-dalàna (Arai), Rajhonson Andrianjatovo Rado, teny Merimanjaka Ambohijanaka, omaly, tamin’ny tatitry ny asa, taona 2024. Raha misy olona voasaringotra amin’ny raharaha fandikan-dalàna amin’ny fitsarana toy ny kolikoly, fanodinkodinam-bolam-panjakana, famotsiam-bola, famatsiam-bola asa fampihorohoroana: tsy maintsy anaovana ny famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny tsy ara-dalàna. Natao hanatanteraka didim-pitsarana. Raha fantatra fa misy olona manam-bola tsy ara-drariny, tonga dia hanokafana fanadihadiana avy hatrany. Tsy manana an’izay fahefana izay ny Arai. Ny didy avoakan’ny Tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) no tanterahiny, amin’ny ankapobeny. Hatramin’izao, fepetra fitehirizana no ataon’ny Arai mba hisorohana ny fihenan-danjan’ilay fananana.
Tamin’ny 2023, nanao tatitra ampahibemaso ny Arai: be dia be ny vola azo tamin’ny kaonty voageja, nahatratra 6, 900 miliara Ar. 300 tapitrisa Ar izany amin’izao. Efa miova tetika ny mpanao heloka: tsy mametraka vola any amin’ny banky intsony, fa manao fampiasam-bola amin-javatra hafa. Tsy nisy trano na tany nogejaina tamin’ny 2023. Nefa amin’izao, 38 isa no nogejaina tamin’ny 2024. Any amin’ny 494 ha izany. Na izany aza, tsy maintsy tadiavina ny fomba rehetra: aiza ny ametrahan’ny mpanao kolikoly ny volany?
R. Nd.