MFFT – Fihaonambe tany Washington: Nanazava ny fanavaozana ny fananan-tany

Anisan’ny niatrika ny fihaonana maneran-tany momba ny tany, natao tany Washin­gton, ny 5 hatramin’ny 9 mey teo, ny delegasionin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Niompana tamin’ny fanentanana sy ny fikaroham-bahaolana amin’ny fahazoana ny tany izao andiany amin’io fivoriana iraisam-pirenena io izao. Nifanakalozana tamin’izany ny fahaiza-mitantana ny fananan-tany sy ny fiarovana ny tany. Nitondran’ny delegasionin’ny MFFT ny ezaka efa vitan’ny fitondram-panjakana eo amin’ny tontolon’ny fananan-tany izany fifampizarana izany. Anisan’izany ny fiarovana sy ny zo momba ny tany. Ny fampirisihana fampiasam-bola, indrindra ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany. Eo koa ny fanatsarana amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny momba ny fananan-tany. Nisongadina tamin’izany fa efa lasa lavitra kokoa i Madagasikara amin’ireo sehatra ireo raha mitaha amin’ny firenen-kafa, indrindra ny fanavaozana ny fitantanan-draharaham-panjakana eo amin’ny fananan-tany mba ho maoderina kokoa sy ny fidirana amin’ny “Digitalisation”.
Tsiahivina fa fihaonana efa fanao isan-taona ny tahaka izao ary anarivony ireo mpandray anjara. Anisan’izany ireo mpiara-miombon’antoka ara-teknika (PTF) sy ny mpikaroka. Ny fiarahamonim-pirenena sy ny sehatra tsy miankina. Nika­rakara izany kosa ny Banky iraisam-pirenena.
Nitohy tamin’ny fihaonana tamin’ny ambasadaoron’i Ma­da­gasikara any Etazonia, Rakotomalala Lantosoa, ny dian’ny delegasionina ka nankasitrahany ny ezaky ny MFFT eo amin’ny fanavaozana sy ny fitantanana ny tontolon’ny fananan-tany.

Synèse R.

Partager sur: