FANTINA sy FINTINA

Nambaran’ny loharanom-baovao eo anivon’ireo solombavambahoaka fa misy depiote maromaro miketrika fitsipaham-pitokisana ny governemanta eny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza. Ireo solombavambahoaka mpiara-dia sy mpanohana ny fitondrana ary ny eo anivon’ny Irmar ihany no ao ambadik’izany.

Nihaino ny hetahetan’ny vahoaka amin’ny alalan’ireo lehiben’ny sampandraharaham-panjakana any amin’ny distrikan’i Maroantsetra ny filoha lefitry ny Antenimierandoholona, Besoa Erick, sy ny depiote Dinah Romuald, afakomaly. Voaresaka ny fanatsarana ny tolotra omena ny vahoaka sy ny fihainoana azy ireo ka hoentina amin’ny fahefana mpanatanteraka.

Hifamotoana any Ampefy, “Ilot de la Vierge” sy ny “Vallée Verte” ny kristianina katolika, rahampitso sy ny alahady. Tafiditra amin’ny fiombonana ny fiainana ny taon-jobily 2025 izany. Hisy ny fiatahana masina sy ny fanentanana ara-panahy arahina alim-bavaka amin’izany.

Nanao rodombe nanoloana ny biraom-pokontany ny vahoakan’Ambohibarikely, Secteur I, eny Anosibe, omaly. Nohitsin’izy ireo fa nisehoana kiantranoantrano ny fanomezana ny tapakila nizarana vary avy amin’ny fanjakana. “Ireo namana sy fianakaviana akaiky ny sefo fokontany ihany no nahazo ireny fanampiana tamin’ny alatsinainy ireny”, hoy izy ireo.

Partager sur: