Lehilahy iray 26 taona hita faty teny amin’ny tetezan’Imamba, Sabotsy Namehana, omaly tamin’ny
6 ora maraina. Tonga nijery ny zava-misy ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Nitsilany ny fahitana ny razana, nahitana ratra ny lohaliny. Heverina ho maty noho ny fisotroan-taoka diso tafahoatra izy nitarika tsy fahatsiarovan-tena izy io, raha ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo azy.
Lehilahy dimy voasambotry ny Brigade de la gendarmerie Antananarivo ville, afakomaly. Voarohirohy amin’ny halatra moto izy ireo. Ny alin’ny talata hatramin’ny alarobia teo, scooter Yamaha RSZ no very tao amin’ny trano iray teny Avaradoha. Tonga nampilaza ny fahaverezan’izany teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tompon’io entana very io. Nanao ny fikarohana izy ireo ka nihafara tamin’izao fahatrarana ireo olon-dratsy ireo izao.
Nitrangana lozam-pifamoivozana tetsy amin’ny Digue manoloana ny tranombarotra Akoor, omaly tamin’ ny 2 ora tolakandro. Moto routière iray no nifandona tamin’ ny taxibe iray. Naratra mafy vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy ilay mpitondra kodiaran-droa. Nentina teny anivon’ny hopitaly saingy tsy tana ny ainy.




