Manao angaredona. Miray feo sy mifanohana tsy manaiky ny fitsimbadihan’ny voka-pifidianana ao amin’ny kaominina Andriamena, Tsaratanàna ny mpanohana ny kandidàn’ny Avi sy ny avy amin’ny Irmar. Mitaky ny hampanjakana ny marina izy ireo.
Nahazo ny 27,17% ny kandidàn’ny Avi tamin’ ny voka-pifidianana navoakan’ny SRMV sy ny Ceni. 25,82% kosa ny tsy miankina. 20,07% ny avy amin’ny Irmar. Nivadika anefa izany tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Tribonaly miady amin’ny fanjakana (Taf), Mahajanga Nahazo ny 29,57 % ilay tsy miankina raha 27,07% kosa ny Avi ary 21,44% ny an’ny Irmar. Nambaran’ny Taf ho anton’ny fivadihan’izany ny nanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny birao miisa efatra.
“Tsy mankasitraka io vokatra io ny mpifidy rehetra ao amin’ny kaominina Andriamena. Tena nisehoana hosoka tanteraka”, hoy ny kandidàn’ ny Avi, Rakotoarivony Minosoa Paul. Nanao fanambarana fampiakarana sy ny fitoriana fandravana didy taty Antananarivo izy ireo.
Etsy andaniny, nahitana taratasy hosoka sy hala-tsonia ary fanambarana tsy marina tonga tany amin’ny Taf Mahajanga. Antony nandraisan’ny tribonaly ny fanapahan-kevitra nanafoana ireo biraom-pifidianana nitarihan’ny kandida Avi izany. “Nitaraina tany amin’ny fitsarana Ambatondrazaka izahay momba izany hosoka sy hala-tsonia izany”, hoy izy.
Manohitra ny taratasy hosoka sy hala-tsonia
Efa nidina tany Andriamena ny vadintany, ny 20 marsa, naka ny fanambaran’ ireo mpikamban’ny biraom-pifidianana sy sefo fokontany voakasiky ny fanafoanana vokatra amin’ny biraom-pifidianana 14. “Samy nanao fanambarana avokoa nanohitra ny taratasy hosoka sy ny fanambarana diso sy nanamarina ny fisiana hala-tsonia voalaza etsy ambony izy ireo”, hoy ny kandidàn’ny Avi. Sahy mijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana ireo tomponandraikitra sy mpikarakara ny fifidianana any an-toerana, araka ny nambarany.
Nambarany fa diso fanantenana ny vahoaka manoloana ny fitsimbadihan’ny voka-pifidianana. Voahitsakitsaka ny zo sy safidin’ny mpifidy ary very maina ireo ezaka sy fitiavan-tanindrazan’ny mpanohana, araka ny nambaran’izy ireo. “Mangataka ny tomponandraikitra rehetra handray andraikitra amin’izao toe-draharaha izao”, hoy izy ireo.
Synèse R.