Justice et Paix : “Tonga amin’ny kihon-dalana hanovana isika”

“Harena lehibe nirina hi­tondra fandrosoana, hialana amin’ny fahantrana, ny vokatry ny tany, ny vokatry ny ranomasina… Nefa indrisy lavitra ny fivoarana andrasana no hita sy tsapa”, hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Jus­tice et Paix. ”Harena ny harena raha mamokatra ary mamo­katra ho an’ny besinimaro” ny lohahevitra nampitaina omaly, taorian’ny fivoriana tany To­liara, ny 8-12 mey. Manao sonia izany ny filohan’ny Jus­tice et Paix, Mgr Ramaroson Benjamin Marc; ny sekretera jeneraly, ny pretra Andriana­solo Sata Jean Noël. Lasa tsy harena ny harena noho ny tsy fisitrahan’ny besinimaro azy. Mampitombo ny kolikoly amin’ ny sehatra rehetra ny fitrandrahana tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna, anisan’ny anton’ ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana izany. Ny fampiharana ny rariny sy ny hitsiny ihany no antoky ny fahafahan’ny Malagasy ma­nontolo, tsy ankavanaka, misitraka ny hareny.
“Tonga amin’ny kihon-dalana tsy azo ihodivirana isika ankehitriny amin’ny fandraisana an-tanana sy fandraisana andraikitra mivan­tana hanovana izao zava-misy tsy ara-drariny izao”, hoy ny hafatra. Takina ny fanovana toe-tsaina sy fitondran-tena manoloana ny asa fitrandrahana harena voajanahary; ny fampiharana ny lalàna, indrindra ho an’ny tomponandraikitra. Eo koa ny fitsinjarana ara-drariny sy ao anatin’ny mangarahara ny harena, manomboka hatrany ifotony ary indrindra ny tamberim-bidy; ny fijerena akaiky ireo madinika mpitrandraka mba ho ara-dalàna ary hahazo ny tombon­tsoany ara-drariny. Miantso ny tsara sitrapo rehetra mba samy handray andraikitra, araka ny tandrify azy, amim-pahamarinana sy amim-panarahan-dalàna izy ireo. Adidy masina ny fanompoana ny tanindra­zana, tsy azo ihodivirana.

R. Nd.

Partager sur: