FANTINA sy FINTINA

Vonona hiara-kiasa sy hifanome tanana ny eo anivon’ny Antenimiera sy ny avy amin’ny CSI. Nivoitra izany tamin’ny fitsidihan’ny filoha vaovao misahana ny CSI, Andriamifidy Jean Louis, teny Tsimbazaza, omaly. Nambarany fa tanjony ny fanatanterahana ny Paikadim-pirenena vaovao hiadiana amin’ny kolikoly 2025-2030.
Nambaran’Andriamiseza Alain fa tsy aty ive­lany ihany no misy mpanohitra. “Ahitana azy ireo koa ao anatin’ny fitondrana. Tsy fantatra fotsiny hoe iza no manohitra ary iza no toherina. Tena misy olana ao”, hoy izy. Nanteriny fa mifanipaka ny samy loholona. Tahaka izany koa ny ao anaty governemanta… “Ho mafy ny raharaha mialoha ny 26 jona”, hoy izy.
Nilaza ho tsy mbola mahalala ny hitsipahana ny governemanta ny depiote Tim, Randriamasinoro Ny Riana. “Tsy mbola nilazana izany izahay. Na izany aza, tsy mamaly ny hetahetam-bahoaka ny mpanatanteraka. Efa tokony ho noravana efa ela ny governe­manta”, hoy izy. Nambarany anefa fa miankina amin’ny maro anisa izany.
15 taona tsy afaka nanaraka ny TVM/RNM ny vahoakan’ i Morombe. Namaha olana ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina ka nanolotra “Emetteur TV”. Nanolotra fitaovana vaovao maromaro koa ny minisitra, Mara Volamiranty Donna ho an’ny fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny kolontsaina ao Atsimo Andrefana.

Partager sur: