Fisolokiana amin’ny “Augure” : Niantso ny mpiasam-panjakana ho mailo

Namoaka fanambarana ireo minisitera roa, ny avy amin’ny minisiteran’ny Asa sy ny fampananana asa sy ny avy ao amin’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola. Niantso fahamailoana sy nampitandrina ny mpiasam-panjakana izy ireo.

Nambaran’ireto minisitera roa ireto fa misy tranga fisolokiana manodidina ny fitantanana ny mpiasam-panjakana “Augure”. Hentitra ny eo anivon’ny fitondram-panjakana manoloana izany. “Tsy misy olona na andian’olona hafa ankoatra ny sampandraharaha misahana ny maha olona (DRH) ao amin’ny minisitera iasan’ilay mpiasam-panjakana ihany no afaka mangataka ny mety ho fanampim-panazavana ilaina manodidina ny mpiasa iray”, hoy izy ireo. Na­nentana ny mpiasa tsirairay eny anivon’ny minisitera na sampandraharaham-panjakana ireo minisitera roa ireo mba ho mailo raha misy miantso na mangataka ny mombamomba azy. Nanterin’ny fanambarana fa ankoatra ny RH, eo koa ny fanomezan-dalana amin’ny fomba ofisialy olona hafa haka ny andinindininy amin’ny mety ho fanampim-panazavana rehetra ilaina. “Tsy misy, araka izany, olona na andian’olona tokony hanao izany, hiantso na hanatona mpiasam-panjakana”, hoy hatrany ny fanambarana.
Tokony hitandrina avokoa…
Nanao antso avo sy nanentana ny rehetra ny avy amin’ny fitondram-panjakana ary mangataka fiaraha-miasa amin’ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny maha olona “DRH” eny anivon’ny minisitera tsirairay mba hanentana ireo mpiara-miasa rehetra ao aminy. “Hataontsika izany hisorohana ny mety ho tranga fisolokiana na koa fampiasana tsy nahazoana alalana ireo antontan-kevitra rehetra momba ny mpiasa eny anivon’ny minisiterantsika tsirairay avy”, hoy ny fanambaran’ireto minisitera roa ireto.
Araka izany, tokony hitandrina avokoa ny mpiasam-panjakana manoloana ny mety hisehoan’ny fisolokiana amin’ny endriny samihafa amin’izao fotoana izao.

Synèse R.

Partager sur: