Inona ny marina? Ny amin’ny fikononkononana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta.
“Manamafy aho fa misy izy io”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tao Antananarivo III, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Depiote no nanatona azy, mandresy lahatra amin’izany. Mbola vitsy… Tsy mbola misy sonia atao, fa vao fifampiresahana sy fifandresen-dahatra fotsiny. Saika depiote tsy miankina izy ireo, mandresy lahatra. Andrasana ny tohiny, satria mbola tena vitsy. Vao eo amin’ny 12 eo ireo depiote manaiky an’izay. “Misy ampahany amin’ny tsy miankina, misy ampahany amin’ny volomboasary”, hoy izy. Raha ny resaka mandeha, tsy fahafaham-po amin’ny asan’ny governemanta, fa tena mijaly loatra ny vahoaka.
“Ataoko hoe tsaho ilay izy. Satria misy karazana mpanao politika mpanely tsaho ny asany”, hoy kosa ny depiote voafidy tao Antananarivo V tamin’ny anaran’ny Irmar, Raholdina Naivo.
Hiady an-trano ny Irmar
Misy maniry mafy hoe hiady an-trano ny eo anivon’ny Irmar: zarazarao hanjakana, dia mamorona lainga etsy sy eroa. Tsy misy eo amin’ny vondrona politika Irmar na iray aza manam-pikasana hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Tsy misy mieritreritra an’izany ny maro anisa. Misy olona te hampiady hatrany. Mandeha antsakany sy andavany ny asa rehetra ao amin’ny Antenimierampirenena. Aoka ny vahoaka, indrindra ny TGV sy ny Irmar, tsy hanaiky hampiadiana sy hitondran’ny olona tsaho etsy sy eroa. Misy ny fitsipiky ny antoko amin’ireo miaraka amin’ny fitondrana, ary manaraka an’izany avokoa ny depiote Irmar rehetra. Hanao ahoana? Ho hita eo… Hatramin’izay, nandamoka hatrany.
R. Nd.