Fanenjehana sy fankahalana olona manokana no misy eto fa tsy fanoherana, raha ny fanehoan-kevitry ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor, manoloana ny fihetsiky ny mpanohitra tato ho ato izay.
Manala baraka ny vahoaka nifidy azy ny olona nanao an’ireny teny momba ny filohan’ny Repoblika ireny. Mihevitra izy fa raha miteny dia ny olona tsy tiany no ho afa-baraka. Nefa izy mamoaka ilay teny no manala baraka ny tenany. Izay ve izany ny olom-boafidy misolo tena ny faritra nifidy azy? Tsy mendrika ny olom-boafidy ireny, ary manala baraka ny andrimpanjakana sy ny vondrona misy azy hoe mpitarika ny mpanohitra. “Raha izaho no eo amin’ny toeran’ny mpanohitra, nesorina sy nosoloina hafa izy”, hoy izy. Nefa efa izay avoaka izy ireo…
Manamafy izy fa tsy fitiavana manokana sy fialonana ny filoha Rajoelina ny fanoherana eto. Inona ny antony? Nahavita avo folo na roapolo heny ny zavatra vitan’izy ireo teto ny filoha Rajoelina. Izay no mampisy lonilony. Maninona no toy ny moramora aminy avokoa ny zavatra rehetra? Tsy mahagaga izay, fa araka ny tenin’ny filoha Rajoelina: misy ny olona nateraka hanohitra sy handrava hatrany, ary misy ny olona nateraka hitondra sy hanangana.
Amin’izay sokajy voalohany izay ireo mpanohitra. Na hanao inona na inona ireo, efa anjaran’izy ireo ny hanohitra sy handrava. Olom-panjakana ny filoha Rajoelina, fa tsy olom-pahefana toy ny sasany. Tsy fanoherana fitondrana ny an-dry zareo ireo. Fanoherana fampandrosoana ny fanoherana misy eto Madagasikara amin’izao.
R. Nd.