Mahatratra 100 mahery ireo olona nahazo fanampiana ara-tsosialy avy amin’ny departemanta sosialy eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, ny faran’ny herinandro lasa teo. Olona sahirana ara-pivelomana notsongaina tamin’ny mpino eo anivon’ny fiangonana izy ireo, hoy ny tompon’andraikitra. Nahazo vary, menaka, sira, paty ary akanjo avokoa izy ireo. «Tanjon’ny hetsika ny hanasoavana ny olona rehetra na iza na iza, na mpiray finoana na tsia», hoy ny lehiben’ny departemanta sosialy eo anivon’ny fiangonana Jesosy Mamonjy, Andrianarimalala Andry. Marihina fa efa fanao isan-taona ny hetsika toy izao fa noentina tamin’ny anaran’olon-tokana izany hatramizay raha ny fanazavana hatrany. Mbola hitohy ny hetsika ara-tsosialy amin’ny volana Febroary hoavy izao, hanolorana fanomezana sy fiofanana arak’asa ho an’ireo olona marefo ara-pivelomana rehetra, fanazavana hatrany. «Mba hahafahan’izy ireo mivelona sy matanjaka ara-pivelomana fa tsy hiankina amin’ny fanampiana lava», hoy hatrany izy. Tsy mijanona ho an’ny mpino eo anivon’ny fiangonana ihany ny hetsika ara-tsosialy ataon’izy ireo fa misokatra ho an’ny olona sahirana ara-pivelomana rehetra indrindra ho an’ireo traboina vokatry ny rivodoza sy ny haintrano, raha ny fanazavana hatrany. Tsiahivina fa nanodidina ny 500 isa teo ireo olona ivelan’ny fiangonana nozarana sakafo masaka tamin’ny herinandro lasa teo iny.
Mino (Mpianatra asa)