Hafatry ny fivondronamben’ny Eveka: “Tsy teny na kabary ambony vavahady ny fitiavana…”

Nampita hafatra ho an’ny kristianina sy ny vahoaka malagasy ny eo anivon’ny Fivondronamben’ny eveka (Fem). Tokony ho porofoina amin’ny asa ny fitiavana, araka ny fanambaran’izy ireo.

“Tsy teny na kabary ambony vavahady ny hoe tia fa hetsika hita maso amin’ny hatao rehetra. Ka hoy izahay hoe tiava marina tokoa ka ataovy izay tianao hatao”, hoy ny hafatra novakian’ny filoha lefitry ny Fem, ny Mgr Andriantsoavina Jean Pascal, ny alahady teo tamin’ny pelerinazin’ny kristianina, niarahana amin’ireo diosezy manerana ny Nosy, tany Ampefy. Nohitsiny fa tokony haseho amin’izay rehetra atao fa fon’i Jesoa ny fontsika. Nentaniny ny rehetra hanalavitra ny ratsy, ny valifaty, ny fanaratsiana be fahatany, ny famitahana, ny kolikoly, ny tsy fijerena hafa, tsy ny kilema sy ny ratsy vitan’ny hafa, ny fitenenan-dratsy sy ny fanompana olona tsy an-drariny eny amin’ny tambajotra sosialy… “Andavanandrontsika ireo nefa tsy maneho fitiavana, noho izany, tsy sahaza ny fo, tsy mifanaraka ho azy amin’ny Fo Masin’i Jesoa”, hoy ihany ny Eveka.
Nanteriny fa tokony hiezaka ho feno fitiavana, famindram-po sy famelan-keloka hoentina hanorina fiadanana manomboka amin’ny tena ka ho tonga hanenika ny firenen­tsika izany. Ampitomboina ao anaty ny fitiavana ny hafa satria ny fo tsy natao hitempo fitiavana ho an’ny tena misy azy fotsiny fa ho an’ny hafa.

Tsy ho kivin’ny adim-piainana

Sahia mivoaka amin’ny fitiavan-tena mba ho afaka hitia ny manodidina: ny olombelona, ny zavaboahary ary Andriamanitra tena tia antsika, araka ny hafatra hatrany. “Tsy misy fankahalana maharafitra fiarahamonina vanona. Noho izany, raha tsy manam-pitiavana araka izay hatoron’i Jesoa isika tsy ho afaka hanana fiarahamonina hampiadana sy hahafinaritra antsika”, hoy ihany izy. Ny fitiavana tena izy tsy mihatsara velatsihy irery ihany no afaka hanome endrika tsara ny tontolo misy antsika, araka ny hafatry ny Fem. “Matoky izahay, fa na ny kristianina katolika manaja sy matoky ny Fo Masin’i Jesoa fotsiny aza no miezaka ho feno fitavana amin’ny ataony sy amin’izay sehatra misy azy, tsy maintsy hiova ny tontolo sy ny firenentsika”, hoy izy. Nentaniny tsy ho kivin’ny adim-piainana ka hivarilavo amin’ny tsy fahamarinana, na amin’ny fampiroboroboana ny tsolotra sy ny kolikoly ny Malagasy tsivakivolo. Sahia miankina amin’ny Tompo na inona na inona miseho. Mi­fampitsinjova fa soatoavintsika Malagasy…

Synèse R.

Partager sur: