« Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana », io no tara-kevitra voafidy entina hankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Foloalindahy Malagasy.
Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy omaly, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, niaraka tamin’ny sary famantarana izany. Nitarika ny fampahafantarana ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny minisitra delege misahana ny zandarimaria, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsarafara Andriamitovy, ary ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de police Rakotoarimanana Herilala. Mizara telo ireo hetsika entina hankalazana izany fiverenan’ny Fahaleovantena izany: voalohany, ireo hetsika ara-javakanto sy koltoraly, toy ny fampirantiana ny tantara sy sary mirakitra ny tantaran’ny firenena sy ny Foloalindahy Malagasy. Hisy koa ireo fifaninanana ara-panatanjahantena hampisehoana haiady ary kermesin’ny Foloalindahy hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Manerana ireo distrika rehetra eto Madagasikara ny fankalazana ny fetim-pirenena hampiray fo sy saina ny vahoaka malagasy na dia hiavaka aza ny fankalazana eto an-drenivohitra. Anatin’ izany ny afomanga hatao eny amin’ny Lac Ivato sy ny ivon’ny fankalazana ny 26 jona izay matso lehibe hataon’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana (FDS) ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina. Nambaran’ny MFA fa hisy ny filoham-pirenena sy minisitry ny fiarovana vahiny nasaina hanatrika ny fankalazana ka eo am-piandrasana ny fanamafisana ny fahatongavan’izy ireo ny mpikarakara. Hampiavaka ity faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ity koa ny tsangambato lehibe hapetraka eny amin’ny Araben’ ny Fahelovantena Analakely. Hifarana ny 27 jona ireo hetsi-pankalazana amin’ny alalan’ny alin’ny FDS na «Nuit des FDS». Marihina fa ny Jly Rakotondrabary Eric no filohan’ny komitim-pirenena manomana ny fankalazana ny 26 jona.
Jean Claude