TSELATRA

Trano 50 tafo no narodan’ny andian-dehilahy maro tetsy Anosibe Andrefana, omaly tamin’ny 6 ora maraina. Navoakan’izy ireo avokoa ny entana rehetra tao an-trano. Tsy nisy ny fifampiresahana teo amin’ny mponina mialoha ny fandrodanana ny trano. Afakomaly hariva tamin’ny 7 ora hariva no naharay taratasy fampahafantarana ny fialana amin’ny tranony ireo fokonolona. Tonga niaraka tamin’ireo mpandrava ny trano ny zandary maro.
Dahalo mpangalatr’omby iray (23 taona) maty voatifitry ny polisy, afakomaly, tany Manandriana. Efa mpamerin-keloka amin’ny halatra omby izy io. Voasambotra ny faran’ny herinandro lasa teo izy ary nanohitra sy nikasa handositra rehefa nentina ho any amin’ny fitsarana ao Ambositra, afakomaly. Naka an-keriny ny basy teny amin’ny polisy izy ka voatery nitifitra azy ny mpitandro filaminana.
Nalefa vonjimaika eny Antanimora ny lehilahy iray tratra nangalatra entana tao an-tranon’olona teny Ambohimanambola, ny faran’ny herinandro teo, tamin’ny 11 ora atoandro. Niditra antsokosoko tao amin’ilay trano izy ary nitsakimbina teo am-baravaravankely niaraka tamin’ny entana. Niandry azy teo ivelany ny zandary sy ny tompon-trano ka tra-tehaka izy.
Lehilahy iray tratra tao ambany fandrian’olona tao amin’ny tokantrano Miadamanjaka I, fokontany Manazary, kaominina ambanivohitra Masindray, Tanà Avaradrano, ny faran’ny herinandro teo. Nisava ny tao an-trano ny mpitandro filaminana. Niafina tao ambany fandriana izy satria tsy afaka nivoaka intsony, noraisim-potsiny tao. Tsy afaka nivoaka ranamana fa nisitrika tao ambany fandriana. Hatolotra ny fitsarana izy aorian’ny famotorana azy.

Partager sur: