Nolanian’ny solombavambahoaka nandritra ny fivoriambe azon’ny rehetra atrehina, omaly, ny fanalalahana ny toaka gasy. Anisan’izany ny fahazoana mamokatra sy ny fivarotana azy. Misy fepetra arahina anefa izany.
Tsy maintsy ampanarahana fenitra. Nolaniana izany tolo-dalàna momba ny famokarana sy ny famarotana toaka gasy izany rehefa nasiam-panitsiana sy novaina. Lalàna natolotry ny depiote Andriamihaja Fanomezantsoa, voafidy tao amin’ny distrikan’Ambositra.
Anisan’ny novoiziny teny Tsimbazaza fa zava-pisotro misy alikaola nentim-paharazana efa ao anatin’ny kolontsaina malagasy ny toaka gasy. Mbola voararan’ny lalàna ny famokarana sy fivarotana azy. Antony nanaovana izao tolo-dalàna izao ny ho fitsinjovana ny tombontsoan’ireo tantsaha mpamokatra toaka gasy eny amin’ ny tontolo ambanivohitra. “Hitondrana tombontsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’ny firenena; hampitomboana ny fidiram-bolan’ny kaominina; hahafahana mamokatra sy mivarotra anatin’ny ara-dalàna”, hoy izy ireo.
Anisan’ny dingana iray lehibe amin’ny fampiakarana ny kalitaon’ny toaka gasy koa anefa ity tolo-dalàna ity ary iriana hanova ny tontolon’ny famokarana eto Madagasikara, araka ny nambaran’izy ireo. Na izany aza, nangatahin’ireo solombavambahoaka ny fanamafisana ny fanaraha-maso amin’ny fanarahana ny fepetra sy fenitra amin’ny famokarana mba hiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa.
Komity teknika
Anisan’izany ny hananganana ny “Comité téchnique de normalisation». Ahitana ireo mpamokatra, kaominina, teknisiana ary ny solontena avy amin’ny mpanao lalàna izany komity izany.
Tsiahivina fa anisan’ny mampiavaka ity tolo-dalàna ity raha mitaha amin’ireo efa natolotry ny teo aloha ny famerana ny tahan’ny alikaola ho 44°C. Eo koa ny fametrahana fenitra mba ho fitsinjovana ny fahasalaman’ny mpanjifa, ny fanomezana taratasy fahazoan-dàlana eo anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary ny fametrahana marika manokana “Etiquetage” amin’ny vokatra raha mivoaka ny distrika namokarana azy.
Synèse R.