Andrianainarivelo Hajo: “Tokony harovana ny sosialim-bahoaka…”

Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianaina­rivelo Hajo, omaly, fa nahitana fihenana lehibe tato ho ato ny fanampiana ara-bola avy any ivelany “Aide publique au développement”. Anisan’iza­ny ny fanampiana avy amin’ny vahoaka amerikanina (USAID). Miakatra hatrany ny vidim-piainana, ary vao mainka niharatsy ny toe-draharaha ara-toekarena taorian’ny fa­napahan-kevitry ny Banky foibe hampiakatra ny tahan’ny zanabola, araka ny nambarany. “Miantraika mivantana amin’ny tokantrano sy ny fiainan’ny vahoaka avokoa ireo rehetra ireo”, hoy izy. Ma­namafy ny antso efa nataony, araka izany, ny MMM hampiatoana vonjimaika ireo tetikasa tsy laharam-pahamehana, toy ireo miompana amin’ny fisehosehoana ivelany fotsiny nefa tsy misy akony mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka.
Notakiany ny hanitsiana haingana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFR) ho amin’ny laharam-pahamehana vaovao. “Anisan’izany ny famoronana asa, ny fiarovana ny sosialim-bahoaka, ary ny fanohanana ireo tetikasa ara-toekarena maharitra ny famenoana ny banga amin’ireo famatsiam-bola tsy azo”, hoy ihany izy. Tafiditra ao anatin’
izany ny fampiroboroboana ny voly fanondranana, ahafahana misintona vola vahiny hidiran-karena ho an’ny firenena. Afaka hanome vahaolana maika amin’ny fandoavana ny trosa tokony ho an’ireo orinasa efa nanao asam-panjakana nefa niandry vola efa ho an-taonany maro koa ny fanitsiana ny tetibola, araka ny nambarany hatrany.
Niantsoany ireo parle­mantera izany rehetra izany. “Aoka hijoro hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka nifidy anareo ianareo fa tsy sanatria ho an’olon-tokana na ho an’ny antoko ny antom-pisianareo”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: