FANTINA sy FINTINA

Hahetsika avokoa ny mpitandro filaminana rehetra, mialoha sy mandritra ary aorian’ny fetim-pirenena, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra ambony misahana ny filaminana. Tsy nambaran’izy ireo kosa anefa ny isan’izany, noho ny lafiny stratejia. Ankoatra izany, hanao fanamiana vaovao ireo handray anjara amin’ny matso ny 26 jona io.

Hanam-bahiny, filoham-panjakana sy minisitry ny Fiarovana, i Madagasikara, araka ny nambaran’ny komity mpanomana ny fetim-pirenena. Tafiditra amin’ny fanamarihana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena izany. Tsy mbola nanamafy ireo vahiny namaly ny fanasana anefa ny eo anivon’ny fitondram-panjakana.

Handalo hodinihin’ireo loholona ny 12 jona izao ny lalàna fehizoro momba ny rafitra ankapoben’ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Nanolotra izany ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany fa niainga amin’ireo tolokevitry ny fiarahamonim-pirenena izao fanitsiana entiny izao.

Mihaona ary mandray anjara amin’ny fihaonan’ny mpandraharaha any Paris, ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampianina Hery. Voaasa manokana miatrika izany izy ireo amin’izao fihaonamben’ny mpandraharaha frantsay sy afrikanina Tatsimo na ny “Sommet Medef Afrique du Sud”.

Partager sur: