Fandraharahana “Business Forum”: Hihazo an’i Dubaï ny filoha Rajoelina Andry

Hosokafana amin’ny fom­ba ofisialy amin’ity volana mey ity ny masoivohon’i Madagasi­kara any Emirats Arabo. Hi­ara-dalana amin’izany koa ilay hetsika « Dubaï Business Forum » tanterahina any amin’ity firenena ity. Hanomboka ny 27 hatramin’ny 29 mey izao izany ka anisan’ny mpandray anjara amin’izany i Madagasi­kara, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra afakomaly. Hitarika ny delegasionina amin’izany ny filoha Rajoelina Andry. Anisan’ny tanjon’ity fihaonambe ity ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasi­kara sy ny Emirats Arabo Mi­tambatra. Tafiditra ao anatin’
izany ny fanasongadinana ny fahafahana mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe. Oha­tra amin’izany ny sehatry ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny teknolojia.
Tsiahivina fa efa niatrika ny fihaonana an-tampony «Sommet mondial des gouvernements» natao tany Dubaï, ny filoha Rajoelina Andry, ny 12 hatramin’ny 14 febroary lasa teo.
Nisongadina tamin’izany ny fanomezan-danja ny fampiasana ny haitao ara-kajy mi­rindra « Digitalisation » sy ny fampiroboroboana ny diplaomasia eo amin’ny sehatry ny toekarena mba hisian’ny fisokafana sy ny fampivelarana ny fifandraisana.
Anisan’ireo filoham-pirenena sy lehiben’ny governemanta miisa fito niatrika izany ny filoha Rajoelina Andry.
Efa tany Emirats Arabo Mi­tambatra ny filoha ny volana septambra 2024. Niompa­na tamin’ny fifandraisana eo amin’ny sehatry ny fitaterana ana habakabaka indray ny foto-diany tamin’izany ka nidiran’ny kaompania Emirats hiasa eto amintsika.

Synèse R.

Partager sur: