Miditra amin’ny dingana faharoa ny fandaharanasa Padeve, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny fahafaha-miatrika ny loza voanajahary ka hanamboarana “Drain” ao Morafeno sy Ambohimahatsinjo. Nivoitra izany tamin’ny filankevitry ny minisitra tany Nosy Be.
Miroso avokoa ny asa fanamboarana fotodrafitrasa eny anivon’ny fitsinjaram-pahefana ho an’ny toekarena sy sosialy. Iarahana amin’ny MFFT izany ka anisan’
ny efa vita ny tsena, tetezana, tranompokonolona, lalana, efitrano fianarana. Eo koa ny EPP sy CEG ary CSB. Niainga amin’ny FDL sy ny mpiara-miombon’ antoka ny vola tamin’izany.
Miantso sy manainga ireo loholona ny solombavambahoaka mba handany ilay tolo-dalàna momba ny fanalalahana ny famokarana sy ny fivarotana toaka gasy. Anisan’ny sakana tamin’ity lalàna ity teo aloha ny nandavan’ny eo anivon’ny Antenimierandoholona izany, intelo. Anjaran’ny eny Anosikely indray izany izao ny mandinika sy mandany izany.
Mbola any Paris, hatramin’ny omaly, ny filoha teo aloha isany, Ravalomanana Marc sy Rajaonarimampiainina Hery. Efa tontosa ny alarobia teo ilay fivoriana momba ny fampiasam-bola eo amin’i Afrika Atsimo sy i Frantsa, niresahana ny tontolon’ny fandraharahana. Samy nasaina manokana niatrika izany ireto filoha mirahalahy ireto tamin’izany.