Anisan’ny afaka mandray anjara amin’ilay fandaharanasan’ny Fiba, natokana ho an’ny vehivavy mpanao basikety, 3×3, eto Afrika i Madagasikara, amin’ny maha tompondakan’i Afrika 3×3 ny Ankoay. Araka izany, handray anjara amin’ny “Fiba 3X3 Women’s Series” ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Raha ny fandaharam-potoana, hizara dingana telo ity fandaharanasa ity ka ny 26 sy 27 mey izao ny dingana voalohany izay hatao any Baku. Hitohy any Viennes izany, ny 12 hatramin’ny 14 jona, ao anatin’ny dingana faharoa. Mbola tsy fantatra kosa ny daty sy ny toerana amin’ny dingana fahatelo. Ankoatra ny maha fifaninanana ity fandaharanasa ity, izay ahafahan’ny Malagasy mamiratra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, mifototra amin’ny fampandrosoana ny basikety 3×3 ihany koa izany. Ny hivelaran’ny basikety 3×3 maneran-tany no tanjona fa indrindra ny hanomezana sehatra bebe kokoa ny mpanao basikety sokajy vehivavy.
Mi.Raz