Natolotra amin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo ny drafi-panajariana an-tanàn-dehibe an’i Mahajanga “Plan d’Urbanisme Directeur – Pudi”. Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony, iarahana amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) izany.
Efa nialohavan’ny fankatoavana natao tamin’ny filankevitry ny minisitra ny 26 marsa 2025 lasa teo izany. Nambaran’ny tomponandraikitra eo anivon’ny MFFT fa drafitra stratejika ho an’ny fivoaran’ny tanàna mandritra ny 15 taona ny Pudi. Ao anatin’izany koa ny momba ny vina ho an’ny fitomboan’ny mponina sy ny fivelaran’ny tanànan’i Mahajanga. Manampy ireo ny paikady miatrika ny loza voajanahary sy ny fiovaovan’ny toetr’andro miaraka amin’ny tetikasam-pampandrosoana ho tanterahina ao anatin’ny dimy taona manaraka.
Notanterahina tamin’izany ihany koa ny fandinihana ny fametrahana fifanarahana ho amin’ny fandaharanasa “Contrat Programme” eo amin’ny MFFT sy ny kaominina an-dRenivohitra Mahajanga. “Ho amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa laharam-pahamehana voarakitra ao amin’ny Pudi izany”, hoy ihany ny eo anivon’ny minisitera. Nambaran’ izy ireo fa tanjona ny hametrahana tanàna mirindra, maharitra ary mifanaraka amin’ny zava-misy sy filan’ny mponina. Niantso sy nanentana ny rehetra ny eo anivon’ny minisitera mba hiara-hientana amin’ ny fanatanterahana izany amin’ny hoavin’ny tanànan’i Mahajanga.
Synèse R.