FANTINA sy FINTINA

Nosalorana samboady ny faran’ny herinandro teo ireo ben’ny Tanàna, miisa 50 mianadahy any amin’ny faritra Itasy. Nitsodrano azy ireo hahavita be ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalo­manana Richard. Nanentana ireo ben’ny Tanàna izy mba hijery ny mahasoa ny vahoaka ao aminy sy tena hampandroso ny kaominina tantaniny.

Ny momba ny dinika any Paris hiresahana ireo Nosy Malagasy “Iles Eparses” ny 30 jona izao. Anisan’ny nisongadina izany tamin’ny fihaonan’ny masoivoho Frantsay, i Arnaud Guillois sy ny vondron’ny firahalahiana Madagasikara-Frantsa, teny Tsim­bazaza, ny zoma teo. Niatrika izany ny depiote isany, Resampa Haja, ny Me Razafimanantsoa Hanitra.

Mitaky ny hamoahana ireo mpikambana roa nofonjaina any Toamasina ny eo anivon’ny Fisemare. Nambaran’izy ireo ny sabotsy teo fa voahosihosy ny lalàmpanorenena sy ny zo sendikaly amin’izao fampidirana vonjimaika am-ponja ny namany izao. “Fitakiana ara-tsendikaly no natao ka takianay ny hamoahana azy ireo”, hoy ny Fisemare.

Mitanila ny rafi-panjakana sy ny rafi-pitsarana mikarakara ny fifidianana, araka ny nambaran’ny depiote, Ralambozafimbololona Fetra. “Lasa mampitarazoka ny famerenana ny fifidianana ho an’ireo kaominina miisa 12 nodidian’ny fitsarana hamerina ny fandatsaham-bato izany”, hoy izy.

Partager sur: