“Dubaï Business Forum”:  Ambohi-pihaonan’ ireo mpandraharaha

Tanterahina any Dubaï, manomboka anio hatramin’ny 28 mey 2025 izao, ny fihaonambe ara-toekarena « Madagascar – Dubaï Business Forum ». Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha goavana eo amin’ny sehatra tsy miankina, Emirati sy Malagasy, any an-toerana mandritra izany. Handray anjara amin’izany ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Izy izay hametraka ho laharam-pahamehana ny tontolon’ny fandraharahana, ny fampiroboroboana ny indostria ary ny fampirisihana ny fampiasam-bola ho antoky ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Vonona koa izy hihaona sy hifampiresaka amin’ireo Malagasy mpandraharaha amin’ny orinasa emirati miisa 92 avy any Dubaï. Eo ihany koa ny Invest Dubaï, izay mitovy lanja amin’ny EDBM eto Madagasikara. Anisan’ny mitarika ny delegasionina mafonja any an-toerana, handray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ihany koa, ny tenany. Toy ny Malagasy mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina miisa 61 sy ireo vondrona orinasa dimy: Gem, Sim, Simabio, FCCim, CTM) ary ny EDBM. Raha tsiahivina, haitariky ny filoham-pirenena malagasy nandritra ny “World Governement summit 2025”, ny volana febroary 2025 teo, ny nitsirian’ny hevitra mahakasika ity fihaonambe ity.

Mino

Partager sur: