Tra-tehaky ny zandary tao an-tranony ny lehilahy iray nihazona basy tsy ara-dalàna niaraka tamin’ny bala mahery vaika tao amin’ny tanànan’ Anjazavao, fokontany Miarina, kaominina Ilaka Centre, distrikan’Ambositra omaly. Naharay antso tamina tsara sitrapo ny mpitandro filaminana fa misy olona mitana basy sy entana halatra ao amin’io tanàna io. Nanao fisavana ny tranon’ireo mpianaka voarohirohy arak’izany ny zandary. Tsy nahitana na inona na inona anefa ny tao amin’ny trano fonenan’ilay raim-pianakaviana. Niroso tamin’ny fitsirihana ny tranon’ny zanak’io rangahy io lahy ny mpitandro filaminana. Hita tao ny basy iray niaraka tamin’ny bala 7,5 cm miisa roa. Nahatrarana varavaram-by roa lehibe sy varavarankely vy iray koa tao aminy. Varavaran’ny EPP Toareny, very tamin’ny taona 2022 ireto sarona tao amin’ity lehilahy ity ireto.
Efa nanao fitarainana ny talen’ny sekoly volana vitsy lasa ka izao vao hita ireto fitaovana ireto. Notanana atao fanadihadiana io tompon-trano io.
Tsiferana R.